Teny iditra mosarena (mosary)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] [ mosareña ] Noana, ianjadian'ny tsy fisian'ny hanin-ko hanina: Alaña mangady ovy ala (Bodoa) laha mosareña anareo (ndeha mihady ovy ala raha noana hianareo) [1.78]
  [Tanosy] Noana [1.78]
 Tratra, voan' ny mosary; tsy manan-kohanina: Ny mafy indrindra, hoy ny ntaolo, dia ny rovi-damba ririnina, ny mosarem-pahavaratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Hungry, starved [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Affamé, en proie à la famine [1.8]
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20