|
|
|
|

Teny iditra 1  mirantiranty
Fototeny  2 rantiranty
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mitandahatra amin' ny toerana avo na mora hita ka tazana avy lavitra na miharihary tsara: Mirantiranty eny amin' ny talantalana ny entam-barotra amin' ny ankabeazan' ny mangazay. / Nirantiraty teny an-davarangana ny fianakavian-dRazazavavy teo ampiandrasana ny mpangataka
9 Mitsangantsangana mitandahatra (zavamaranitra na fiadiana): Nirantiranty nanaraka ny rindrina ny benitry ny miaramila [1.1]
10 ny tena hevitry ny hoe mirantiranty dia mihan-tonkatona eny ambony toerana avo, toy ny zavatra milahatra ambony salazana, vorona ambony hazo, lefona mitandahatra [2.313]
Fanazavàna teny anglisy  11 to be arranged, to be in order [1.2]
Ohatra  12  Nahatsiravina ny fijery ireo Sakalava nanangasanga tao anaty bozaka nanodidina ireto olona Nirongo ody sy felana ny ankabeazan' izy ireo ary ny lefony dia miranirany sy mifilofilo mirantiranty manodidina. [2.895#]

Fivaditsoratra  mirantiranty, 13 mitranitrany

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20