|
|
|
|

Teny iditra 1  mipoaka
Fototeny  2 poaka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano
9 Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan' ny vato
10 (masoandro na ny andro) Miposaka, na amin' ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary
11 Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron' ny zanany
12 Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany
13 Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko
14 Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin' ny asa angady omaly sy afakomaly
15 Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin' izay naharariany izay [1.1]
16 [Sihanaka] miposaka (masoandro) [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  17 to burst, to explode [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  18 éclater, exploser [1.8]
19 exploser [1.13]
Fikambanana  20  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny how mipoaka
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  22 miapoka, 23 mipaoka, mipoaka

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21