Teny iditra manorisory (sorisory (sory))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahasosotra, mahadikidiky: Manorisory mihitsy izany tabataba ataon' ny ankizy izany
Manao izay hahasosotra ny hafa: Atsaharo io fanaonao io fa manorisory ny mpampianatra
Mampahory, mampijaly: Tandremo ny manorisory ny zandrin' ialahy a! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To vex, to chagrin [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Vexer, agacer [1.8]
Ohatra Miara-homehy sy ory aminao izy, nefa azo tsapaintànana koa fa manorisory azy ny hiditra lalindalina amin' izay resahina aminy. [2.5]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manorisory
Ny lasa : nanorisory
Ny hoavy : hanorisory
Filaza mandidy : manorisoria

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20