Teny iditra |
manipy
(tsipy)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mandefa zavatra mafy amin' ny tanana, mitoraka: Tsy mahay manipy baolina ialahy izany! Manary: Aza manipy rano eny an-dalambe fa mety handena olona ianao [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Lancer [1.13]
|
Ohatra |
1 | Koa manipy teny aminareo izahay;
[2.587]
|
2 | Dia manipy kitay iray tanana ny ao an-trano.
[1.437]
|
3 | Vita izay, i Mira mandatsaka katsaka, izaho kosa manipy tsaramaso ary manototra ny lavaka.
[2.117]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
manipy |
Ny lasa : |
nanipy |
Ny hoavy : |
hanipy |
Filaza mandidy : |
manipaza |
|
Kamban-teny |
|
|
Teny iditra |
manipy
(tsipy)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | [Bara, Tambahoaka]
mamafy (voa )
[1.78]
|
|