|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manaraka
Fototeny  2 araka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manjohy: Mitomany hanaraka an-dreniny Ikotokely
9 Manao araka ny..,, mitandrina, manatanteraka: Manaraka ny didin' Andriamanitra
10 Mandeha amin' ny lavan' ny, sisin' ny, moron' ny: Mandehana manaraka ny valamparia
11 Tsy manohitra fa manao araka ny...: Manaraka ny fitongilanan-dratsy
12 Momba ny..., miandany amin' ny,..: Manaraka ny fampianaran' i Bouddha
13 Avy aoriana, mandimby: Manaraka ny lohataona ny fahavaratra
14 Vokatry ny: Manaraka ny heloka ny sazy
15 Manao tahaka, maka tahaka: Tsarovy fa hanaraka ny hataonao ny zanakao
16 Miady mba hahazo, mitaky amin' ny alalan' ny fitsarana: Tsy misy mahadiso ahy raha manaraka ny anjara lovako aho. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  17 to follow, to pursue; to obey, to agree to, to prosecute. [1.2]
18 to follow; to obey; to prosecute [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  19 suivre; obéir; poursuivre [1.8]
Ohatra  20  Miolakolaka manaraka ny fefiloha natao ho azy kosa Ikopa. [2.470#5]
21  Ny alahady manaraka io anefa, vao mainka nihakaondrana indray aho, raha ny kaondrana no resahina. [2.4#7]
Fikambanana  22  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 36 misy ny teny how manaraka
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 24  manaraka
Sokajin-teny  25  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  26 [Sihanaka] mitaratra tantely [1.78]

Fivaditsoratra  27 makarana, 28 manakara, Manakara, manaraka

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14