Teny iditra lanjaina (lanja)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Jerena amin' ny alalan' ny vato-mizanany havesany: Lanjaina ny akoho aty aminay rehefa amidy
Entina ambony soroka, antsorohina: Holanjaiko Rangahy fa omeo vola aho
Entina amin' ny filanjana: Tsy zakanay lanjaina io Ramatoa io fa botrefona izaitsizy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be weighed; to be carried on the shoulders [1.2]
 To be weighed; to be carried on the shoulder; to be considered [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on pèse; qu'on porte sur les épaules; qu'on considère [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : lanjaina, lanjaiko, lanjainao, lanjainy, lanjaintsika, lanjainay, lanjainareo, lanjain', lanjain-, lanjaim-, lanjai-
Ny lasa : nolanjaina, nolanjaiko, nolanjainao, nolanjainy, nolanjaintsika, nolanjainay, nolanjainareo, nolanjain', nolanjain-, nolanjaim-, nolanjai-
Ny hoavy : holanjaina, holanjaiko, holanjainao, holanjainy, holanjaintsika, holanjainay, holanjainareo, holanjain', holanjain-, holanjaim-, holanjai-
Filaza mandidy : lanjao
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20