Teny iditra korotehina (korotika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Rovitina tsy misy kitotony, kotehina: Nahoana no korotehinao toy izao ny akanjoko?
Simbana tanteraka: Nokorotehin' ilay bibidia ny tarehiny
Asavorovoro ka tsy hita intsony izay laniny, asafotofoto: Nokoretehin' iza àry itỳ kofehy itỳ? [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : korotehina, korotehiko, korotehinao, korotehiny, korotehintsika, korotehinay, korotehinareo, korotehin', korotehin-, korotehim-, korotehi-
Ny lasa : nokorotehina, nokorotehiko, nokorotehinao, nokorotehiny, nokorotehintsika, nokorotehinay, nokorotehinareo, nokorotehin', nokorotehin-, nokorotehim-, nokorotehi-
Ny hoavy : hokorotehina, hokorotehiko, hokorotehinao, hokorotehiny, hokorotehintsika, hokorotehinay, hokorotehinareo, hokorotehin', hokorotehin-, hokorotehim-, hokorotehi-
Filaza mandidy : koroteho

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05