Teny iditra kilasy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Voninahitra omena antoko-mpiasa, na laharana omena antokonjavatra mifanaraka amin' ny fahamboniana na fahatsarany: Injeniera kilasy faharoa / Kalesin-dalamby kilasy voalohany
Fitambaran' ny mpianatra mitovitovy fahaizana ka iray efitrano fianarana, iray mpampianatra: Hitsangantsangana ny mpianatra ao amin' ny kilasy fahatelo rahampitso
Mpianatra anisan' ny antoko-mpianatra voalaza etsy ambony: Kilasy fahenina Isambilo taon-dasa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A class in school; a school-room [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Une classe à l'école [1.8]
 Classe [1.13]
Ohatra 
1Nanomboka ny kilasy [2.117]
2Tao amin' ny kilasy fahatelo no nanombohako [2.643]
3Ny Fanerogarna indray dia mizara ho kilasy roa [1.357]
Kamban-teny 
Ny fihaviany Anglisy: class.

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02