Teny iditra kekerina (kekitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ketohina amin' ny nify: Nokekerin' ilay saka ratsy iny ny tanan-janako
Tsindronina: Nokekerin' ny moka ny handriko
Hanina: Kekerin' ny olitra mafy aho izany
Raisina amin' ny nify: Raha tsy voavaha amin' ny tanana, kekero ho afaka io lady io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be bitten, to be stung [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui est piqué, qui est mordu [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kekerina, kekeriko, kekerinao, kekeriny, kekerintsika, kekerinay, kekerinareo, kekerin', kekerin-, kekerim-, kekeri-
Ny lasa : nokekerina, nokekeriko, nokekerinao, nokekeriny, nokekerintsika, nokekerinay, nokekerinareo, nokekerin', nokekerin-, nokekerim-, nokekeri-
Ny hoavy : hokekerina, hokekeriko, hokekerinao, hokekeriny, hokekerintsika, hokekerinay, hokekerinareo, hokekerin', hokekerin-, hokekerim-, hokekeri-
Filaza mandidy : kekero
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/03