Teny iditra Ianareo ... izahay
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rakotomalala Henri
Lahatsoratra 
Ianareo rorampison' Angavokely,
Izahay erikerik'Ankaratra,
Ka na tsy tondraka aza,
Mahavonto tany!

Ianareo mafikely lava taho,
Izahay vonin'avoko malefolefo;
Raha jejo loha ny any,
Izahay kely ihany fa mamerovero.

Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay
Fa manana sakay tsara fefy;
Ary tsy mitomany volo oly
Fa manana mpandrandrana mahay.

Koa aza fady, Raondriana,
Fa raha safomorona ny fampitambazana,
Ny anay efa nitobaka ela;
Raha ritra ny rano tan-dobo,
Ny anay efa tsisy tavela.
Ny farihy tankina, hono,
Ny fotoka no manjaka;
Fa ny loharano an-dohasaha kosa,
Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka!
Koa kopa-damba malefaka no ataoko,
Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo,
Izahay voromanga mahay mihira,
Ka zato sy arivo manao " midira "
Na ny eto akaiky na an-dakira!
.....................

Ianareo haba ihaingoan'ny jefy,
Izahay volamena tsy mety lefy!
.....................

Koa samia masina an-taniny,
Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra,
Izahay diamondra soa hazavana.
Koa veloma mahalankalana, Rasena,
Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo,
Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena !
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02