Teny iditra habakabaka (habaka)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny mangoana tsy misy afa-tsy rivotra manodidina ny tany, izay toa andohalambo miloko mangamanga manarona ny tany no fijery azy, antsoina koa hoe lanitra amin' ny fiteny mahazatra: Mahavariana ny fidadasiky ny habakabaka / Mihalontralona eny amin' ny habakabaka ny kintana
Fanazavàna teny anglisy Amplitude, space, the sky, the firmament. [1.2]
 The skies, the firmament [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Le ciel, firmament [1.8]
Ohatra 
1Tsy namaly aho fa ny habakabaka maty masoandro no notazaniko. [2.471]
2Ny tany, ny habakabaka, ny rano dia samy ifamoivoizana avokoa. [2.117]
3Jereo ny rahon' ny habakabaka fa mbola mety manopy manja ihany; [1.233]
Sampanteny 
Tovy hevitra habaka
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra habakabaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Derrière d'un boeuf. [1.19]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/13