Teny iditra gehina (geka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Terena, fehezina: Nogehiny tamin' ny hetra ny valahany ~ Geho tsara ireto entana ireto tsy hivaha
Giazana, tsy avala hivoaka: Geho ao an-trano ireto ankizy ireto
Terena hiasa: Nanao tiatia kilalao izay aho ka nogehin' i Dada roba hianatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be tied, to be bound, to be confined, to be forced, to be constrained [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : gehina, gehiko, gehinao, gehiny, gehintsika, gehinay, gehinareo, gehin', gehin-, gehim-, gehi-
Ny lasa : nogehina, nogehiko, nogehinao, nogehiny, nogehintsika, nogehinay, nogehinareo, nogehin', nogehin-, nogehim-, nogehi-
Ny hoavy : hogehina, hogehiko, hogehinao, hogehiny, hogehintsika, hogehinay, hogehinareo, hogehin', hogehin-, hogehim-, hogehi-
Filaza mandidy : geho
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20