Teny iditra fampianarana (anatra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fampahalalana, fanoroana zavatra tsy hay; fanaovana izay hampahay zavatra olona: Ilana olona mahay sy be fandavan-tena ny fampianarana
Antokon-draharaha miandraikitra ny fanoroana, ny fampahazoana fahaizana ny ankizy: Ho tonga rahampitso ny Minisitry ny Fampianarana
Fomba fampianatra: Tsy tiako ny fampianaran-dRangahy io fa misafotofoto be lhany
Fitambaran' ny hevitra iompanan' ny fivavahana, filozofia iray: Ny fampianaran' i Kristy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Teaching, instruction [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Enseignement [1.8]
Ohatra 
1Alaminy sy arahiny maso ny fampianarana. [2.114]
2Laborde hiantoka ny fampianarana ny basy. [2.366]
3Zokin' ny fananarana sy ny fampianarana izy. [1.377]
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20