Teny iditra divay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavapisotro vita amin' ny ranomboaloboka navela hiketriketrika; misy alkaola eo amin' ny 11-12° eo ho eo ny divay ka mahamamo sy manimba raha sotroina betsaka; mety hahasalama kosa izy raha sotroina amin' ny fotoanan' ny sakafo ka tsy mihoatra ny androatokon' ny litatra amin' ny sakafo mandritra ny ny andro [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Wine [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Vin [1.8]
Ohatra 
1Omeo divay izahay! [2.285]
2Namboly sy niompy koa izy ka sady nanao divay sy toaka no namboatra fromazy. [2.113]
Ny fihaviany Frantsay: du vin.
Lahatsoratra 

Teny iditra divay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazan-kazo salasala [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Ketmie oseille [1.1]
 (du français « du vin »).
[Sakalava] Hibiscus sabdariffa L. (Malvaceae).
[Betsimisaraka, Bezanozano, Tanala] Vitis microdiptera Baker (Vitaceae) (voir famakientana). [1.196]
Anarana siantifika Hibiscus sabdariffa, Vitis microdiptera
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30