Teny iditra avongady (vongady)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Amidy mitambatra, miaraka: Moa tsy navongadin' ilay mpivarotra daholo ny vary tao aminy ka ny kely vola tsy mba nahazo mihitsy!
Atao miharihary, mitokana erỳ, asongadina (filaza amin' ny zavatra lehibe, makadiry): Navongadiny terỳ an-tokotany ilay laona vato vao novidiny [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : avongady, avongadiko, avongadinao, avongadiny, avongadintsika, avongadinay, avongadinareo, avongadin', avongadin-, avongadim-
Ny lasa : navongady, navongadiko, navongadinao, navongadiny, navongadintsika, navongadinay, navongadinareo, navongadin', navongadin-, navongadim-
Ny hoavy : havongady, havongadiko, havongadinao, havongadiny, havongadintsika, havongadinay, havongadinareo, havongadin', havongadin-, havongadim-
Filaza mandidy : avongadio

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05