|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  avona
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  9 Fiheverana ny tena ho ambony ka manao ny sasany ho tsinontsinona: Vonton' ny avony ny anao lahy ka mahatsikaiky indray
10 Eboebo, tohatoha, dohadoha: Ny avon' ny firinga mievotra
11 Anjonanjona: Tsy azoko leferina ny avony
12 Tsy firaharahana ny hafa: Nandray ahy tamin' avona ilay olona nefa tsy norahorahaiko [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 pride, haughtiness, arrogance. See anjonanjona, eboebo, rehareha. The reduplicated form is most generally used. [1.2]
Ohatra  14  Nony efa niala, Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona. [1.230#]
15  nefa raha hanao fitia mifono avona ianao, aleo misaraka; [2.313#]
16  Rentsika teo ny teniny nampitondrainy an-dRasalimo zanany vavy, feno avona sy fihantsiana. [2.528#]
17  Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; [1.301#]
Voambolana  18  Ontam-po
Tovy hevitra  19 anjonanjona, avonavona, dohadoha, eboebo, rehareha, tohatoha
Fikambanana  20  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny how avona
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 22  avona
Sokajin-teny  23  anarana
Fanazavàna teny malagasy  24 Akalam-bay, votoatiny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25 the core of boils. (Prov.) See akalana. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  26 [Tankarana] bourbillon des furoncles. [1.19]
Voambolana  27  Fahasalamana

Teny iditra (3/3) 28  avona
Fototeny  29 vona
Sokajin-teny  30  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
31  Ny ankehitriny :
32  Ny lasa :
33  Ny hoavy :
34  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  35 Asiana vòna: Avonao isaky ny iray metatra io tady io [1.1]

Fivaditsoratra  avona, 36 ôvana, ovana, 37 vaoña, vaona, 38 voana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/13