Teny iditra avona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiheverana ny tena ho ambony ka manao ny sasany ho tsinontsinona: Vonton' ny avony ny anao lahy ka mahatsikaiky indray
Eboebo, tohatoha, dohadoha: Ny avon' ny firinga mievotra
Anjonanjona: Tsy azoko leferina ny avony
Tsy firaharahana ny hafa: Nandray ahy tamin' avona ilay olona nefa tsy norahorahaiko [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Pride, haughtiness, arrogance. See anjonanjona, eboebo, rehareha. The reduplicated form is most generally used. [1.2]
Ohatra 
1Nony efa niala, Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona. [1.230]
2nefa raha hanao fitia mifono avona ianao, aleo misaraka; [2.313]
3Rentsika teo ny teniny nampitondrainy an-dRasalimo zanany vavy, feno avona sy fihantsiana. [2.528]
4Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; [1.301]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : avona, avoko, avonao, avony, avontsika, avonay, avonareo, avon', avon-, avom-, avo-
Sampanteny 
 
Tovy hevitra avonavona ~ anjonanjona ~ dohadoha ~ eboebo ~ rehareha ~ tohatoha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra avona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Akalam-bay, votoatiny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The core of boils. (Prov.) See akalana. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Bourbillon des furoncles. [1.19]
Voambolana 

Teny iditra avona (vona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana vòna: Avonao isaky ny iray metatra io tady io [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : avona, avoko, avonao, avony, avontsika, avonay, avonareo, avon', avon-, avom-, avo-
Ny lasa : navona, navoko, navonao, navony, navontsika, navonay, navonareo, navon', navon-, navom-, navo-
Ny hoavy : havona, havoko, havonao, havony, havontsika, havonay, havonareo, havon', havon-, havom-, havo-
Filaza mandidy : avonao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/22