Teny iditra avily (vily)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atodika: Avilio miankavanana ny lohan' ny lakana sao dia midona amin' ny vato / Avilio ny sainao mba tsy hihevitra izany intsony
Ahodina: Naviliny ny masony mba tsy hahita ahy
Atolaka: Havilin' Andriamanitra anie izany loza izany!
Afindra, ailika: Aza avilinao atỳ amiko ny ratsy nataonao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be turned aside from a road or from a direction [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on détourne, qu'on fait dévier, qu'on change de chemin ou de direction [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : avily, aviliko, avilinao, aviliny, avilintsika, avilinay, avilinareo, avilin', avilin-, avilim-
Ny lasa : navily, naviliko, navilinao, naviliny, navilintsika, navilinay, navilinareo, navilin', navilin-, navilim-
Ny hoavy : havily, haviliko, havilinao, haviliny, havilintsika, havilinay, havilinareo, havilin', havilin-, havilim-
Filaza mandidy : avilio

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20