Teny iditra atombina (tombina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Apetraka (enti-milaza biby na olona ihany): Atombeno eo amin' ny tsihy ny zanakao dia mandehana manao raharaha; fa tsy fiteny, ohatra, ny hoe: Atombeno eo ambony latabatra ny bokinao
Apetraka maka toerana tsara: Natombiny tsara teo amin' ny halana ny sininy dia iny izy nivikiviky nanao kinarinarina
Atao mifototra tsara amin' ny: Atombeno amin' ny fianarana ny sainao, fa aza avala hiriorio atsỳ sa arỳ [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : atombina, atombiko, atombinao, atombiny, atombintsika, atombinay, atombinareo, atombin', atombin-, atombim-, atombi-
Ny lasa : natombina, natombiko, natombinao, natombiny, natombintsika, natombinay, natombinareo, natombin', natombin-, natombim-, natombi-
Ny hoavy : hatombina, hatombiko, hatombinao, hatombiny, hatombintsika, hatombinay, hatombinareo, hatombin', hatombin-, hatombim-, hatombi-
Filaza mandidy : atombeno

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20