Teny iditra atakalo (takalo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Soloana zavatra heverina ho mitovy vidy aminy (mitovy amin' ny takalozana ihany, fa fampiasa matetika kokoa): Natakalony ny palitaoko ny malabariny
Soloana atao vola madinika: Atakalozy kely itỳ volako ariary zato itỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be given in exchange [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on donne en échange [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : atakalo, atakaloko, atakalonao, atakalony, atakalontsika, atakalonay, atakalonareo, atakalon', atakalon-, atakalom-
Ny lasa : natakalo, natakaloko, natakalonao, natakalony, natakalontsika, natakalonay, natakalonareo, natakalon', natakalon-, natakalom-
Ny hoavy : hatakalo, hatakaloko, hatakalonao, hatakalony, hatakalontsika, hatakalonay, hatakalonareo, hatakalon', hatakalon-, hatakalom-
Filaza mandidy : atakalozy
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20