Teny iditra alofo (lofo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ilazana ny omby natao loto na novonoina raha nisy maty taloha: Omby valo no nalofo tamin' ny nahafatesan' Itompokolahy Ranona [1.1]
Ohatra Manavinavy aho ity, ka raha tahiny aho dia lasa, dia afeno ato Ambatomanoina, ary ataovy ho ny omby alofo ahy afa-tsy izay omen' ny olona. [1.436]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : alofo, alofoko, alofonao, alofony, alofontsika, alofonay, alofonareo, alofon', alofon-, alofom-
Ny lasa : nalofo, nalofoko, nalofonao, nalofony, nalofontsika, nalofonay, nalofonareo, nalofon', nalofon-, nalofom-
Ny hoavy : halofo, halofoko, halofonao, halofony, halofontsika, halofonay, halofonareo, halofon', halofon-, halofom-
Filaza mandidy : alofosy
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20