Teny iditra abosina (abosy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Vokisana hanao zavatra; angolena; risihina: Saingy miaraka amin' ialahy miantsena ny zanak' andriana, ka abosin' ialahy haka ny zavatr' olona (T.A. II, tak.878) [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : abosina, abosiko, abosinao, abosiny, abosintsika, abosinay, abosinareo
Ny lasa : nabosina, nabosiko, nabosinao, nabosiny, nabosintsika, nabosinay, nabosinareo
Ny hoavy : habosina, habosiko, habosinao, habosiny, habosintsika, habosinay, habosinareo
Filaza mandidy : abosio
Mpanahaka  abonina ~ ambosiana

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05