<-
->

1Te / 1Tes 1:1 Paul, and Silvanus, and Timotheus, unto the church of the Thessalonians which is in God the Father and in the Lord Jesus Christ: Grace be unto you, and peace, from God our Father, and the Lord Jesus Christ. Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan' ny Tesaloniana, izay ao amin' Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonìka, izay ao amin' Andriamanitra Ray sy Jeso-Kristy Tompo: Paul, Silvain et Timothée, à l'Église des Thessaloniciens qui est en Dieu le Père et dans le Seigneur Jésus Christ. A vous grâce et paix.
1Te / 1Tes 1:2 We give thanks to God always for you all, making mention of you in our prayers; Misaotra an' Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin' ny fivavahanay, ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an' Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin' ny fivavahanay, Nous rendons grâces à Dieu à tout moment pour vous tous, en faisant mention de vous sans cesse dans nos prières.
1Te / 1Tes 1:3 Remembering without ceasing your work of faith, and labour of love, and patience of hope in our Lord Jesus Christ, in the sight of God and our Father; sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin' ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin' ny fitiavana ary ny faharetanareo amin' ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason' Andriamanitra Raintsika; ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason' Andriamanitra Raintsika ny asan' ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan' ny fitiavanareo, ary ny faharetan' ny fanantenanareo an' i Jeso-Kristy Tompontsika; Nous nous rappelons en présence de notre Dieu et Père l' activité de votre foi, le labeur de votre charité, la constance de votre espérance, qui sont dus à notre Seigneur Jésus Christ.
1Te / 1Tes 1:4 Knowing, brethren beloved, your election of God. fa fantatray, ry rahalahy malalan' Andriamanitra, ny fifidianana anareo, fa fantatray, ry rahalahy malalan' Andriamanitra, fa olom-boafidy hianareo, Nous le savons, frères aimés de Dieu, vous avez été choisis.
1Te / 1Tes 1:5 For our gospel came not unto you in word only, but also in power, and in the Holy Ghost, and in much assurance; as ye know what manner of men we were among you for your sake. fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin' ny teny ihany, fa tamin' ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo. satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin' ny teny ihany, fa tamin' ny hery koa, sy tamin' ny Fanahy Masina, ary tamin' ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an' ny famonjena anareo. Car notre Évangile ne s' est pas présenté à vous en paroles seulement, mais en puissance, dans l' action de l' Esprit Saint, en surabondance. De fait, vous savez comment nous nous sommes comportés au milieu de vous pour votre service.
1Te / 1Tes 1:6 And ye became followers of us, and of the Lord, having received the word in much affliction, with joy of the Holy Ghost. Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin' ny fahoriana be mbamin' ny hafaliana avy amin' ny Fanahy Masina, Noho hianareo nandray ny teny tamin' ny fahoriana be sy tamin' ny hafaliana avy amin' ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo hianareo, Et vous vous êtes mis à nous imiter, nous et le Seigneur, en accueillant la Parole, parmi bien des tribulations, avec la joie de l' Esprit Saint :
1Te / 1Tes 1:7 So that ye were ensamples to all that believe in Macedonia and Achaia. ka dia tonga fianarana ho an' ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo. ka tonga fakan-tahaka ho an' ny mpino rehetra any Masedonia sy Akaia kosa indray. vous êtes ainsi devenus un modèle pour tous les croyants de Macédoine et d' Achaïe.
1Te / 1Tes 1:8 For from you sounded out the word of the Lord not only in Macedonia and Achaia, but also in every place your faith to God-ward is spread abroad; so that we need not to speak any thing. Fa avy taminareo no nanenoan' ny tenin' ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan' ny lazan' ny finoanareo an' Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony. Ary tsy tany Masedonia sy Akaia ihany no tongan' ny akon' ny tenin' Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan' ny finoanareo an' Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazany intsony ny olona. De chez vous, en effet, la Parole du Seigneur a retenti, et pas seulement en Macédoine et en Achaïe, mais de tous côtés votre foi en Dieu s' est répandue, si bien que nous n' avons plus besoin d' en rien dire.
1Te / 1Tes 1:9 For they themselves shew of us what manner of entering in we had unto you, and how ye turned to God from idols to serve the living and true God; Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atý aminareo sy ny nialanareo tamin' ny sampy hiverenana amin' Andriamanitra mba hanompo an' Andriamanitra velona sy marina, Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo, sy ny nialanareo tamin' ny sampy mba hanompo an' Andriamanitra velona sy marina, On raconte là-bas comment nous sommes venus chez vous, et comment vous vous êtes tournés vers Dieu, abandonnant les idoles pour servir le Dieu vivant et véritable,
1Te / 1Tes 1:10 And to wait for his Son from heaven, whom he raised from the dead, even Jesus, which delivered us from the wrath to come. ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin' ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin' ny fahatezerana ho avy. sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin' ny maty, dia Jeso izay manafaka antsika amin' ny fahatezerana ho avy. dans l' attente de son Fils qui viendra des cieux, qu' il a ressuscité des morts, Jésus, qui nous délivre de la colère qui vient.

<-
->