|
|
|
|

<-
->

Eze / Ez 47:1 Afterward he brought me again unto the door of the house; and, behold, waters issued out from under the threshold of the house eastward: for the forefront of the house stood toward the east, and the waters came down from under from the right side of the house, at the south side of the altar. Dia nentiny niverina ho eo amin' ny varavaran' ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin' ny tokonan' ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin' ny lafiny ankavanan' ny trano teo atsimon' ny alitara. Nentiny niverina ho eo amin' ny varavaran' ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin' ny tokonan' ny trano, amin' ny lafiny atsinanana, fa nitodika niatsinanana ny anoloan' ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin' ny lafitrano ankavanana tao atsimon' ny otely. Il me ramena à l' entrée du Temple, et voici que de l' eau sortait de dessous le seuil du Temple, vers l' orient, car le Temple était tourné vers l' orient. L' eau descendait de dessous le côté droit du Temple, au sud de l' autel.
Eze / Ez 47:2 Then brought he me out of the way of the gate northward, and led me about the way without unto the utter gate by the way that looketh eastward; and, behold, there ran out waters on the right side. Dia nentiny nivoaka tamin' ny lalana mankamin' ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin' ny lalana ivelany, hankany amin' ny vavahady ivelany, dia teo amin' ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin' ny ilany ankavanana. Nentiny nivoaka tamin' ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin' ny alo-baravarana ivelany mitodika miatsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin' ny lafiny ankavanana. Il me fit sortir par le porche septentrional et me fit faire le tour extérieur, jusqu' au porche extérieur qui regarde l' orient, et voici que l' eau coulait du côté droit.
Eze / Ez 47:3 And when the man that had the line in his hand went forth eastward, he measured a thousand cubits, and he brought me through the waters; the waters were to the ankles. Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano. Nony tafavoaka niatsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tànany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka havalahana ny rano. L' homme s'éloigna vers l' orient, avec le cordeau qu' il avait en main, et mesura mille coudées; alors il me fit traverser le cours d' eau : j' avais de l' eau jusqu' aux chevilles.
Eze / Ez 47:4 Again he measured a thousand, and brought me through the waters; the waters were to the knees. Again he measured a thousand, and brought me through; the waters were to the loins. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy hita ny rano aho, ka havalahana ny rano. Il en mesura encore mille et me fit traverser le cours d' eau : j' avais de l' eau jusqu' aux genoux. Il en mesura encore mille et me fit traverser le cours d' eau : j' avais de l' eau jusqu' aux reins.
Eze / Ez 47:5 Afterward he measured a thousand; and it was a river that I could not pass over: for the waters were risen, waters to swim in, a river that could not be passed over. Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana. Nandrefy arivo hakiho indray, ka efa ony maria tsy azoko nitàna intsony, fa nihalalina ny rano; efa rano itàna milomano, ony maria tsy azo itàna amin' izao. Il en mesura encore mille, et c'était un torrent que je ne pus traverser, car l' eau avait grossi pour devenir une eau profonde, un fleuve infranchissable.
Eze / Ez 47:6 And he said unto me, Son of man, hast thou seen this? Then he brought me, and caused me to return to the brink of the river. Dia hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron' ny ony izy. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, nahita va hianao? Dia nentiny niverina ho eo amoron' ny ony maria aho. Alors il me dit : " As-tu vu, fils d' homme ? " Il me conduisit puis me ramena au bord du torrent.
Eze / Ez 47:7 Now when I had returned, behold, at the bank of the river were very many trees on the one side and on the other. Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron' ny ony, dia teny an-daniny roa. Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be teo amoron' ny ony maria eo an-daniny roa. Et lorsque je revins, voici qu' au bord du torrent il y avait une quantité d' arbres de chaque côté.
Eze / Ez 47:8 Then said he unto me, These waters issue out toward the east country, and go down into the desert, and go into the sea: which being brought forth into the sea, the waters shall be healed. Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin' ny tany atsinanana, dia midina any amin' ny tani-hay ka miditra eo amin' ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano. Hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mandeha mankany amin' ny faritany atsinanana; hidina ho any amin' ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin' ny ranomasina; hoentina mankany amin' ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano. Il me dit : " Cette eau s' en va vers le district oriental, elle descend dans la Araba et se dirige vers la mer; elle se déverse dans la mer en sorte que ses eaux deviennent saines.
Eze / Ez 47:9 And it shall come to pass, that every thing that liveth, which moveth, whithersoever the rivers shall come, shall live: and there shall be a very great multitude of fish, because these waters shall come thither: for they shall be healed; and every thing shall live whither the river cometh. Ary ny zava-manan' aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan' ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran' ny ony. Ny zava-manan' aina mihetsiketsika any amin' izay halehan' ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan' ny ony maria. Partout où passera le torrent, tout être vivant qui y fourmille vivra. Le poisson sera très abondant, car là où cette eau pénètre, elle assainit, et la vie se développe partout où va le torrent.
Eze / Ez 47:10 And it shall come to pass, that the fishers shall stand upon it from Engedi even unto Eneglaim; they shall be a place to spread forth nets; their fish shall be according to their kinds, as the fish of the great sea, exceeding many. Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin' ny Ranomasina Lehibe. Hitsangana eo amoron' izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; ho velarana harato ny hatrany Engaddi, ka hatrany Engallima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin' ny ranomasina lehibe. Sur le rivage, il y aura des pêcheurs. Depuis En-Gaddi jusqu'à En-Églayim des filets seront tendus. Les poissons seront de même espèce que les poissons de la Grande mer, et très nombreux.
Eze / Ez 47:11 But the miry places thereof and the marishes thereof shall not be healed; they shall be given to salt. Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira. Fa ny honahona sy ny heniheny kosa, tsy hovana ho mahasalama fa havela ho an' ny sisa. Mais ses marais et ses lagunes ne seront pas assainis, ils seront abandonnés au sel.
Eze / Ez 47:12 And by the river upon the bank thereof, on this side and on that side, shall grow all trees for meat, whose leaf shall not fade, neither shall the fruit thereof be consumed: it shall bring forth new fruit according to his months, because their waters they issued out of the sanctuary: and the fruit thereof shall be for meat, and the leaf thereof for medicine. Ary eny amoron' ny ony, eny an-daniny roa, no anirian' ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin' ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. Eo akaikin' ny ony, amin' ny morony andaniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin' ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara. Au bord du torrent, sur chacune de ses rives, croîtront toutes sortes d' arbres fruitiers dont le feuillage ne se flétrira pas et dont les fruits ne cesseront pas : ils produiront chaque mois des fruits nouveaux, car cette eau vient du sanctuaire. Les fruits seront une nourriture et les feuilles un remède. "
Eze / Ez 47:13 Thus saith the Lord GOD; This shall be the border, whereby ye shall inherit the land according to the twelve tribes of Israel: Joseph shall have two portions. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen' Isiraely roa ambin' ny folo; anjaran-droa no ho an' i Josefa. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zara-taninareo araka ny foko roa ambin' ny folo amin' Israely; anjaran-droa no ho an' i Josefa. Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici le territoire que vous partagerez entre les douze tribus d' Israël, en donnant à Joseph deux parts.
Eze / Ez 47:14 And ye shall inherit it, one as well as another: concerning the which I lifted up mine hand to give it unto your fathers: and this land shall fall unto you for inheritance. Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an' ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity. Samy hanana anjara avokoa hianareo, dia anjara amin' io tany nampanantenaiko, efa nananganako tanàna, homena ny razanareo, ka dia ho tonga fanananareo izany tany izany. Vous aurez tous équitablement votre part, car j' ai juré à vos pères de la leur donner et ce pays doit vous échoir en héritage.
Eze / Ez 47:15 And this shall be the border of the land toward the north side, from the great sea, the way of Hethlon, as men go to Zedad; Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin' ny Ranomasina Lehibe amin' ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin' i zedada, Izao no ho faritry ny tany: Ny avaratra, hatreo amin' ny ranomasina lehibe amin' ny làlan' i Hethalona mankany Sedada. Voici la frontière du pays. Du côté du nord, depuis la Grande mer : la route de Hètlôn jusqu'à l' Entrée de Hamat, Çedad,
Eze / Ez 47:16 Hamath, Berothah, Sibraim, which is between the border of Damascus and the border of Hamath; Hazarhatticon, which is by the coast of Hauran. dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan' ny faritanin' i Damaskosy sy ny fari-tanin' i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin' i Haorana. Ny tany Hamata, Berotha, ary Sabarima, anelanelan' ny faritanin' i Damasa sy ny faritanin' i Hamata; Hatzera-Tikona, eo amin' ny faritanin' ny Haorana. Bérota, Sibrayim qui est entre le territoire de Damas et celui de Hamat, Haçer-ha-Tikôn vers le territoire du Haurân;
Eze / Ez 47:17 And the border from the sea shall be Hazarenan, the border of Damascus, and the north northward, and the border of Hamath. And this is the north side. Ary ny fari-taniny dia hatramin' ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin' i Damaskosy, ary amin' ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra. Ka izao no faritany hatramin' ny ranomasina: Hatzera-Enona, ny sisin-tanin' i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin' ny sisin-tanin' i Hamata. Izany no lafiny avaratra. la frontière s'étendra depuis la mer jusqu'à Haçar-Énân, ayant au nord le territoire de Damas et le territoire de Hamat. C' est la limite septentrionale.
Eze / Ez 47:18 And the east side ye shall measure from Hauran, and from Damascus, and from Gilead, and from the land of Israel by Jordan, from the border unto the east sea. And this is the east side. Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan' i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin' ny Isiraely dia Jordana; hatramin' ny fari-tany ka hatreo amoron' ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. Ny atsinanana: Hatramin' ny faritra mampisaraka an' i Haorana sy Damasa, dia eo anelanelan' i Galaada sy ny tanin' Israely no alehan' ny faritra amin' ny tany dia Jordany. Hatramin' ny sisin-tany avaratra, ka hatramin' ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. Du côté de l' est, entre le Haurân et Damas, entre Galaad et le pays d' Israël, le Jourdain servira de frontière jusqu'à la mer orientale vers Tamar. C' est la limite orientale.
Eze / Ez 47:19 And the south side southward, from Tamar even to the waters of strife in Kadesh, the river to the great sea. And this is the south side southward. Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin' ny ranon' i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin' ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo. Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Thamara ka hatrany amin' ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny amin' ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin' ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin' ny Negeba. Du côté du midi, vers le sud, depuis Tamar jusqu' aux eaux de Meriba de Qadesh, vers le Torrent jusqu'à la Grande mer. C' est la limite méridionale.
Eze / Ez 47:20 The west side also shall be the great sea from the border, till a man come over against Hamath. This is the west side. Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin' ny faritany ka hatrany akaikin' i Hamata. Izany no lafiny andrefana. Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin' io sisin-tany io, ka hatramin' ny hadilan-tanin' i Hamata. Izany no lafiny atsimo. Et du côté de l' ouest : la Grande mer servira de frontière jusqu' en face de l' Entrée de Hamat. C' est la limite occidentale.
Eze / Ez 47:21 So shall ye divide this land unto you according to the tribes of Israel. Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen' Isiraely. Hozarainareo ho anareo izany tany izany, araka ny fokon' Israely. Vous partagerez ce pays entre vous, entre les tribus d' Israël.
Eze / Ez 47:22 And it shall come to pass, that ye shall divide it by lot for an inheritance unto you, and to the strangers that sojourn among you, which shall beget children among you: and they shall be unto you as born in the country among the children of Israel; they shall have inheritance with you among the tribes of Israel. Ary amin' ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak' Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin' ny firenen' Isiraely izy. Amin' ny filokana no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an' ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loajaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin' ny zanak' Israely, izy ireo, ka filokana no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin' ny fokon' Israely. Vous vous le partagerez en héritage, pour vous et pour les étrangers qui séjournent au milieu de vous et qui ont engendré des enfants parmi vous, car vous les traiterez comme le citoyen israélite. Avec vous ils tireront au sort l' héritage, au milieu des tribus d' Israël.
Eze / Ez 47:23 And it shall come to pass, that in what tribe the stranger sojourneth, there shall ye give him his inheritance, saith the Lord GOD. Ary amin' izay firenena hitoeran' ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo. Ao amin' izay foko itoeran' ny vahiny no hanomezanareo ny anjara lovany, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Dans la tribu où il habite, c' est là que vous donnerez à l'étranger son héritage, oracle du Seigneur Yahvé.

<-
->