<-
->

2Sm / 2Sam 1:1 Now it came to pass after the death of Saul, when David was returned from the slaughter of the Amalekites, and David had abode two days in Ziklag; Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. Nony maty Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa Davida ka hatramin' ny andro roa Davida no nipetraka tao Sikelega. Après la mort de Saül, David, revenant de battre les Amalécites, demeura deux jours à Çiqlag.
2Sm / 2Sam 1:2 It came even to pass on the third day, that, behold, a man came out of the camp from Saul with his clothes rent, and earth upon his head: and so it was, when he came to David, that he fell to the earth, and did obeisance. Ary tamin' ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin' ny miaramilan' i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin' i Davida izy, dia niankohoka tamin' ny tany ka nitsaoka. Tamin' ny andro fahatelo, inty nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin' i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin' i Davida izy dia nidaboka tamin' ny tany, ka niankohoka. Le troisième jour, un homme arriva du camp, d' auprès de Saül. Il avait les vêtements déchirés et la tête couverte de poussière. En arrivant près de David, il se jeta à terre et se prosterna.
2Sm / 2Sam 1:3 And David said unto him, From whence comest thou? And he said unto him, Out of the camp of Israel am I escaped. Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin' ny tobin' ny Isiraely aho. Hoy Davida taminy: Avy aiza hianao? Ary hoy ny navaliny azy: Nandositra avy tany an-tobin' Israely aho. David lui dit : " D' où viens-tu ? " Il répondit : " Je me suis sauvé du camp d' Israël. "
2Sm / 2Sam 1:4 And David said unto him, How went the matter? I pray thee, tell me. And he answered, That the people are fled from the battle, and many of the people also are fallen and dead; and Saul and Jonathan his son are dead also. Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin' ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. Dia hoy Davida taminy: Ka nanao ahoana avy? Tantarao amiko kely hoe. Ary hoy izy: Nandositra tamin' ny ady ny vahoaka, ka be no nitsingidina sy maty tamin' ny vahoaka, ary maty koa aza Saola sy Jonatasy zanany. David demanda : " Que s' est-il passé ? Informe-moi donc! " L' autre dit : " C' est que le peuple s' est enfui de la bataille, et parmi le peuple beaucoup sont tombés et sont morts. Même, Saül et son fils Jonathan sont morts! "
2Sm / 2Sam 1:5 And David said unto the young man that told him, How knowest thou that Saul and Jonathan his son be dead? Ary hoy Davida tamin' ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. Hoy Davida tamin' ity zatovo, nilaza izany zava-baovao izany taminy: Ahoana no ahafantaranao fa maty Saola sy Jonatasy zanany? David demanda au jeune porteur de nouvelles : " Comment sais-tu que Saül et son fils Jonathan sont morts ? "
2Sm / 2Sam 1:6 And the young man that told him said, As I happened by chance upon mount Gilboa, behold, Saul leaned upon his spear; and, lo, the chariots and horsemen followed hard after him. Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin' ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. Ary izao no navalin' ilay zatovo nilaza ny vaovao taminy: Sendra tany an-tendrombohitra Jelboe aho, no inty Saola nitehina tamin' ny lefony teo, efa saika tratry ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly mihitsy; Le jeune porteur de nouvelles répondit : " Je me trouvais par hasard sur le mont Gelboé et je vis Saül s' appuyant sur sa lance et serré de près par les chars et les cavaliers.
2Sm / 2Sam 1:7 And when he looked behind him, he saw me, and called unto me. And I answered, Here am I. Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho. niherika izy ka nahatazana ahy dia niantso ahy, sy nolazaiko hoe: Inty aho. S'étant retourné, il m' aperçut et m' appela. Je répondis : "Me voici! "
2Sm / 2Sam 1:8 And he said unto me, Who art thou? And I answered him, I am an Amalekite. Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho. Ary hoy izy tamiko: Iza moa hianao? Ka hoy aho namaly azy: Amalesita aho. Il me demanda : "Qui es-tu ?" et je lui dis : "Je suis un Amalécite. "
2Sm / 2Sam 1:9 He said unto me again, Stand, I pray thee, upon me, and slay me: for anguish is come upon me, because my life is yet whole in me. Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. Dia hoy izy tamiko: Avia aty akaikiko ary vonoy ho faty aho; fa efa fanina aho ity, nefa ny aiko manontolo mbola ato amiko. Il me dit alors : "Approche-toi de moi et tue-moi, car je suis saisi de vertige, bien que ma vie soit tout entière en moi. "
2Sm / 2Sam 1:10 So I stood upon him, and slew him, because I was sure that he could not live after that he was fallen: and I took the crown that was upon his head, and the bracelet that was on his arm, and have brought them hither unto my lord. Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin' ny sandriny, ka nentiko etý amin' ny tompoko izany. Dia nanatona azy aho, ka namono azy satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy rahefa resy. Koa nalaiko ny satrok' andriana teny an-dohany sy ny fehin-tànana teny amin' ny sandriny, dia indreto nentiko nankaty amin' ny tompoko. Je m' approchai donc et lui donnai la mort, car je savais qu' il ne survivrait pas, une fois tombé. Puis j' ai pris le diadème qu' il avait sur la tête et le bracelet qu' il avait au bras et je les ai apportés ici à Monseigneur. "
2Sm / 2Sam 1:11 Then David took hold on his clothes, and rent them; and likewise all the men that were with him: Dia noraisin' i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. Dia noraisin' i Davida ny fitafiany, ka notriariny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. Alors David saisit ses vêtements et les déchira, et tous les hommes qui étaient avec lui firent de même.
2Sm / 2Sam 1:12 And they mourned, and wept, and fasted until even, for Saul, and for Jonathan his son, and for the people of the Lord, and for the house of Israel; because they were fallen by the sword. Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan' ny andro izy noho ny amin' i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon' i Jehovah ary ny taranak' Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. Nanao ny fombam-pisaonana azy ireo izy, nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan' ny andro, nisaona an' i Saola sy Jonatasy zanany ary ny olon' ny Tompo sy ny tranon' Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo. Ils se lamentèrent, pleurèrent et jeûnèrent jusqu' au soir à cause de Saül, de son fils Jonathan, du peuple de Yahvé et de la maison d' Israël, parce qu' il étaient tombés par l'épée.
2Sm / 2Sam 1:13 And David said unto the young man that told him, Whence art thou? And he answered, I am the son of a stranger, an Amalekite. Ary hoy Davida tamin' ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. Ary hoy Davida tamin' ity zatovo nilaza ny vaovao taminy: Avy aiza no tany fihavianao? Hoy ny navaliny azy: Izaho dia zanaky ny olona hafa firenena, dia olona Amalesita. David demanda au jeune porteur de nouvelles : " D' où es-tu ? " et il répondit : " Je suis le fils d' un étranger en résidence, d' un Amalécite. "
2Sm / 2Sam 1:14 And David said unto him, How wast thou not afraid to stretch forth thine hand to destroy the Lord' s anointed? Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr' i Jehovah? Ary hoy Davida taminy: Nahoana hianao no dia tsy natahotra ny haninji-tànana hamono ny voahosotry ny Tompo? David lui dit : " Comment n' as-tu pas craint d'étendre la main pour faire périr l' oint de Yahvé ? "
2Sm / 2Sam 1:15 And David called one of the young men, and said, Go near, and fall upon him. And he smote him that he died. Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. Sady niantso ny anankiray tamin' ny tovolahy Davida ka nanao hoe: Avia, vonoy io. Dia nasiany, ka maty. David appela l' un des garçons et dit : " Approche et frappe-le! " Celui-ci l' abattit et il mourut.
2Sm / 2Sam 1:16 And David said unto him, Thy blood be upon thy head; for thy mouth hath testified against thee, saying, I have slain the Lord' s anointed. ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin' ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr' i Jehovah. Ary hoy Davida taminy: Aoka ny ranao ho eo an-dohanao, satria vavanao ihany no niampanga anao, fony hianao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotry ny Tompo. David lui dit : " Que ton sang retombe sur ta tête, car ta bouche a témoigné contre toi, quand tu as dit : "C' est moi qui ai donné la mort à l' oint de Yahvé. " "
2Sm / 2Sam 1:17 And David lamented with this lamentation over Saul and over Jonathan his son: Ary Davida nisaona an' i Saoly sy Jonatana zanany tamin' izao hira fisaonana izao Noventesin' i Davida ity hira fisaonana an' i Saola sy Jonatasy zanany ity, David entonna cette complainte sur Saül et sur son fils Jonathan.
2Sm / 2Sam 1:18 (Also he bade them teach the children of Judah the use of the bow: behold, it is written in the book of Jasher.) (ary nasainy nampianarina ny taranak' i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin' ny Bokin' i Jasara izany): ka nasainy nampianarina ny zanak' i Jodà izany. Io ilay hira hoe: Tsipìka. Indro fa voasoratra ao amin' ny Bokin' ny Marina izany: Il dit c' est pour apprendre l' arc aux fils de Juda; c' est écrit au Livre du Juste :
2Sm / 2Sam 1:19 The beauty of Israel is slain upon thy high places: how are the mighty fallen! Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin' ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! Moa levona teny amin' ny tamponao va ny famirapiratr' Israely? Ahoana no nahalavoan' ny mahery? " La splendeur d' Israël, sur tes hauteurs, a-t-elle péri ? Comment sont tombés les héros ?
2Sm / 2Sam 1:20 Tell it not in Gath, publish it not in the streets of Askelon; lest the daughters of the Philistines rejoice, lest the daughters of the uncircumcised triumph. Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben' i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin' ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin' ny tsy mifora. Aza ambaranareo any Geta izany, na torinareo any amin' ny araben' i Askalona, fandrao mifaly amin' izany ny zanakavavin' ny Filistina, fandrao mibita-kavaliana ny zanakavavin' ny tsy mifora. Ne le publiez pas dans Gat, ne l' annoncez pas dans les rues d' Ashqelôn, que ne se réjouissent les filles des Philistins, que n' exultent les filles des incirconcis!
2Sm / 2Sam 1:21 Ye mountains of Gilboa, let there be no dew, neither let there be rain, upon you, nor fields of offerings: for there the shield of the mighty is vilely cast away, the shield of Saul, as though he had not been anointed with oil. Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman' orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan' ny mahery, Dia ny ampingan' i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo. Hianareo tendrombohitra Jelboe, aza misy andro aman' orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan' ny mahery. Montagnes de Gelboé, ni rosée ni pluie sur vous, campagnes traîtresses, puisque y fut déshonoré le bouclier des héros!
2Sm / 2Sam 1:22 From the blood of the slain, from the fat of the mighty, the bow of Jonathan turned not back, and the sword of Saul returned not empty. Ny tsipìkan' i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran' ny maty sy ny tavin' ny mahery; ary ny sabatr' i Saoly tsy mba niverina foana. Ny ampingan' i Saola tsy mba diloilo no nahosotra azy fa ny ran' ny maratra sy ny tavin' ny mahery; ny tsipìkan' i Jonatasy tsy lasa nihemotra na oviana na oviana ary ny sabatr' i Saola tsy nody maina. Le bouclier de Saül n'était pas oint d' huile, mais du sang des blessés, de la graisse des guerriers; l' arc de Jonathan jamais ne recula, ni l'épée de Saül ne revint inutile.
2Sm / 2Sam 1:23 Saul and Jonathan were lovely and pleasant in their lives, and in their death they were not divided: they were swifter than eagles, they were stronger than lions. Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin' ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. Malala sy mahate-ho tia Saola sy Jonatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona. Saül et Jonathan, aimés et charmants, dans la vie et dans la mort ne furent pas séparés. Plus que les aigles ils étaient rapides, plus que les lions ils étaient forts.
2Sm / 2Sam 1:24 Ye daughters of Israel, weep over Saul, who clothed you in scarlet, with other delights, who put on ornaments of gold upon your apparel. Ry zanakavavin' Isiraely, mitomania an' i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. Mitomania an' i Saola, ry zanakavavin' Israely, fa notafiany jaky tao anatin' ny fahafinaretana hianareo; noravahany volamena ny fitafianareo! Filles d' Israël, pleurez sur Saül, qui vous revêtait d'écarlate et de lin fin, qui accrochait des joyaux d' or à vos vêtements.
2Sm / 2Sam 1:25 How are the mighty fallen in the midst of the battle! O Jonathan, thou wast slain in thine high places. Endrey! lavo teo amin' ny ady ny mahery voalefona teo amin' ny havoananao Jonatana. Ahoana no nahalavoan' ny mahery tany an' ady? Voagorobaka teo amin' ny havoanao Jonatasy! Comment sont tombés les héros au milieu du combat ? Jonathan, par ta mort je suis navré,
2Sm / 2Sam 1:26 I am distressed for thee, my brother Jonathan: very pleasant hast thou been unto me: thy love to me was wonderful, passing the love of women. Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan' ny vehivavy. Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jonatasy rahalahiko! Fa hianao ihany no fahafinaretako tanteraka; mamiko noho ny fitiavan' ny vehivavy ny fitiavanao. j' ai le coeur serré à cause de toi, mon frère Jonathan. Tu m'étais délicieusement cher, ton amitié m'était plus merveilleuse que l' amour des femmes.
2Sm / 2Sam 1:27 How are the mighty fallen, and the weapons of war perished! Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana! Ahoana no nahalavoan' ny mahery? Ahoana no nahafatesan' ny mpiady? Comment sont tombés les héros, ont péri les armes de guerre ? "

<-
->