Teny iditra |
mandevilevy
(levilevy (levy))
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mangotraka: Efa mandevilevy ny rano ka arotsahy amin' izao ny vary Miontanontana izaitsizy (na alahelo na hatezerana): Nandevilevy ny foko tamin' ny fatin' ny zokiko Mananatra na maniny olona amin' ny hadisoana nataony na ny tsy fanaovany adidy tokony honataony: Nandevilevy azy daholo ny manodidina tamin' ny nanafenany an' ilay mpangalatra Mandrahona manao teny mahery noho ny hatezerana: Nandevilevy azy mafy rainy [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To threaten, to scold [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Gronder, gourmander [1.8]
|
Ohatra | Fa tonga vereza faty, Ka mandevilevy ny àty.
[1.437]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mandevilevy |
Ny lasa : |
nandevilevy |
Ny hoavy : |
handevilevy |
Filaza mandidy : |
mandevileve |
|
|