Teny iditra |
indro
|
Sokajin-teny | tambinteny
|
Fanazavàna teny malagasy | Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Behold! Lo! Here! This is it! See indry.
[1.2]
|
| Behold! look! there he (she, it) is! [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Voici, voilà [1.3]
|
| Le (la) voilà [1.8]
|
Ohatra |
1 | Indro ny volanao.
[2.4]
|
2 | Indro avereno izy!
[2.298]
|
|
Zanakanarana |
|
|
Teny iditra |
Indro
|
Singan-teny | indro |
Sokajin-teny | anarana (lohatenin-tononkalo)
|
Mpanoratra | Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Lahatsoratra |
Indro ny Zanakavavin’ny Alina
Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
‘Ndeha handro izy iny…
Ny volony lava toa setroka oly,
Ny maso baliakany toa hanangoly…
Mandrendri-bahiny!…
Mba mahina angaha sao misy mahita
Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
dia indro tokoa…
Ingahy masoandro misalotra mena
malaina handao an’ity fijerena
An-dRavolana soa!…
Dia indro fa nihaona ny masony roa
Ka menatra indrindra Ravolana soa
Noraisiny haingana
‘lay rahona kely mba sendra nandalo
ho enti-manafy an’ity tena mimalo
tsy ho hita mivaingana…
Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
…Dia tena nitranga!
Nisosa malako, nandeha nilomano
namaky ny ony ‘zay manganohano:
Ny lanitra manga!
|
|
Voambolana |
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra
|
|