Teny iditra zorina (zotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Arahina mahitsy tsy mivilivily: Ity lalana mianatsimo ity zorina dia ho tonga any am-piangonana ianao
Tohizina: Ny lalana zorina fa aza be resaka eo [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : zorina, zoriko, zorinao, zoriny, zorintsika, zorinay, zorinareo, zorin', zorin-, zorim-, zori-
Ny lasa : nozorina, nozoriko, nozorinao, nozoriny, nozorintsika, nozorinay, nozorinareo, nozorin', nozorin-, nozorim-, nozori-
Ny hoavy : hozorina, hozoriko, hozorinao, hozoriny, hozorintsika, hozorinay, hozorinareo, hozorin', hozorin-, hozorim-, hozori-
Filaza mandidy : zory

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05