Teny iditra zezika
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Zavatra manomboka ho lo na namboarina ara-pomba simika afangaro amin' ny tany na alafika azy mba ho sakafon' ny zavamaniry ambolena na hahatsara ny tany
Famelezana amim-bono, fikapohana mafy
Be dia be, izaitratra [1.1]
 Zaka ampiasaina hahalonaka ny tany [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Manure, fertilizer [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Engrais [1.3, 1.8, 1.13]
 Fumier [1.3, 1.8]
 Nombreux [1.3]
Ohatra 
1Asiana zezika ny tany mba ho lonaka. [2.117]
2Ataovy be zezika ireto zana-boankazo ireto [1.1]
3Tsy avy amin' ny mololo sy ny zezika izany e. [2.470]
4zezika no sakaiza, fangady no fati-dra, sobiky no namana; [2.69]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/07