Teny iditra vitaina (vita)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Efaina, tanterahina, atao manontolo hatramin' ny farany: Vitao haingana ny tranonao fa ho avy izao ny fahavaratra
Taperina, faranana: Vitao ny resaka fa mbola be mihitsy anie izany raharaha hatao izany e!
Tapahina: Tokony hovitaina ny fanekem-barotsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be completed, to be finished [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on finit, qu'on accomplit [1.8]
Ohatra Na inona na inona miseho, ny asa tsy maintsy vitaina. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vitaina, vitaiko, vitainao, vitainy, vitaintsika, vitainay, vitainareo, vitain', vitain-, vitaim-, vitai-
Ny lasa : novitaina, novitaiko, novitainao, novitainy, novitaintsika, novitainay, novitainareo, novitain', novitain-, novitaim-, novitai-
Ny hoavy : hovitaina, hovitaiko, hovitainao, hovitainy, hovitaintsika, hovitainay, hovitainareo, hovitain', hovitain-, hovitaim-, hovitai-
Filaza mandidy : vitao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20