Teny iditra vesarana (vesatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tsindriana zavatra be lanja: Aza vesarana entana io zaza io fa mbola kely ~ Novesaranao adidy lehibe aho, nefa na dia izany aza tsy hiamboho adidy aho
Tototra: Vesaran' alahelo ny fony [1.1]
Ohatra Rahefa mandeha eny an-dalana ny olona , miondrika toa vesarana entana izany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vesarana, vesarako, vesaranao, vesarany, vesarantsika, vesaranay, vesaranareo, vesaran', vesaran-, vesaram-, vesara-
Ny lasa : novesarana, novesarako, novesaranao, novesarany, novesarantsika, novesaranay, novesaranareo, novesaran', novesaran-, novesaram-, novesara-
Ny hoavy : hovesarana, hovesarako, hovesaranao, hovesarany, hovesarantsika, hovesaranay, hovesaranareo, hovesaran', hovesaran-, hovesaram-, hovesara-
Filaza mandidy : vesaro
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20