Teny iditra tsoahana (tsoaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ongotana: Tsoahy ity fantsika ity fa mety handratra
Esorina, alana: Notsoahany ny kirarony alohan' ny hidirany ao an-trano / Hivenjivenjy foana ny zanakao raha vao tsoahanao ato amin' ity sekoly ianarany ity
Foanana: Notsoahan' ny fanjakana sahady ilay didy naovakany tamin' iray volana lasa
Ombotana, alana amin-kery: Notsoahany teto amiko ny zanako
Ivadihana: Notsoahony indray ny teny nataony tao [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsoahana, tsoahako, tsoahanao, tsoahany, tsoahantsika, tsoahanay, tsoahanareo, tsoahan', tsoahan-, tsoaham-, tsoaha-
Ny lasa : notsoahana, notsoahako, notsoahanao, notsoahany, notsoahantsika, notsoahanay, notsoahanareo, notsoahan', notsoahan-, notsoaham-, notsoaha-
Ny hoavy : hotsoahana, hotsoahako, hotsoahanao, hotsoahany, hotsoahantsika, hotsoahanay, hotsoahanareo, hotsoahan', hotsoahan-, hotsoaham-, hotsoaha-
Filaza mandidy : tsoahy

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05