Teny iditra tsaboina (tsabo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Karakaraina amin' ny fanomezana fanafody sy fikajakajana mba ho sitrana, ka sady azo ilazana ny marary no ilazana ny aretina: Notsaboiny ny zanako dia sitrana ~ Aretina sarotra tsaboina io aretina io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be nursed, to be given medical care [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on soigne [1.8]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsaboina, tsaboiko, tsaboinao, tsaboiny, tsabointsika, tsaboinay, tsaboinareo, tsaboin', tsaboin-, tsaboim-, tsaboi-
Ny lasa : notsaboina, notsaboiko, notsaboinao, notsaboiny, notsabointsika, notsaboinay, notsaboinareo, notsaboin', notsaboin-, notsaboim-, notsaboi-
Ny hoavy : hotsaboina, hotsaboiko, hotsaboinao, hotsaboiny, hotsabointsika, hotsaboinay, hotsaboinareo, hotsaboin', hotsaboin-, hotsaboim-, hotsaboi-
Filaza mandidy : tsaboy

Teny iditra tsaboina (tsabo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Vonjena amin' ny fanomezana vola na zavatra: Tsaboy kely roapolo any aho [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31