Teny iditra tondroina (tondro)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ambara amin' ny fanondro, na ilay olona na zavatra, na ny misy azy: Notondroina fotsiny Rakoto dia nangovitra nihararetra ~ Tondroy azy ny avaratra
Atoro, lazaina: Notondroin' ny fokonolona ho mpangalatra izy ka natolotra ny fanjakana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be pointed at [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on indique avec le doigt ou autre chose [1.3]
 Qu'on indique avec le doigt ou les lèvres [1.8]
Ohatra 
1Tondroina ho faritra voaaro ireny faritra rakotra ala ireny. [2.445]
2Fa ny afo kosa dia miharihary hitan' ny maso izao, ary ho azo tondroina fa any no misy an' i Toamasina. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tondroina, tondroiko, tondroinao, tondroiny, tondrointsika, tondroinay, tondroinareo, tondroin', tondroin-, tondroim-, tondroi-
Ny lasa : notondroina, notondroiko, notondroinao, notondroiny, notondrointsika, notondroinay, notondroinareo, notondroin', notondroin-, notondroim-, notondroi-
Ny hoavy : hotondroina, hotondroiko, hotondroinao, hotondroiny, hotondrointsika, hotondroinay, hotondroinareo, hotondroin', hotondroin-, hotondroim-, hotondroi-
Filaza mandidy : tondroy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20