|
|
|
|

Teny iditra1  tokotany
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim-pasana
4  Tany voafaritra -- ary matetika aza voafefy -- miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan' ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotany!
5  a) Ny ankevitry ny tombam-bidin' ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr' io olona io. -b) Antoka: Ny karaman' ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan' io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin' endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin' ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon' ny tokotanin' ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy mavo, fa manga ny tokotaniny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  the yard around a house; grounds [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  cour [1.8]
Tsipelina hafa  8  kototany
Kamban-teny 
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny tokotany io

Fivaditsoratra  11  kototany, tokotany

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31