Teny iditra |
taratasy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra amboarina amin' ny zavamaniry na voridamba izay atao koba dia tampisahana manify dia manify, ka ampiasaina hanoratana: Manify loatra ity taratasy ity ka tsy azo anoratana Ravin-taratasy Soratra ifandefasan' ny olona roa mba hifamangiana, hifampilazana vaovao na hifampiraharahana: Nandefa taratasy tany amin' / dadatoa aho mba hamangiako azy tamin' ny nahafatesan' ny zanany Teny ilazana ankapobeny ny soratra rehetra Raina ho fanamarinana ny fananan-javatra na fahavitan-draharaha iray: Ento daholo ny taratasy rehetra momba ny aotomobilina. [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Paper; a letter (correspondence) [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Papier; lettre (de correspondance) [1.8]
|
Ohatra |
1 | Nakombony ny diariny, ka mbola nandray ny taratasy ihany izy hanoratra;
[2.324]
|
2 | olona manoratra sy mandrotsaka taratasy anaty vatakely no tsinjony.
[2.470]
|
|
Kamban-teny |
|
Lohateny |
|
|