Teny iditra tampenana (tampina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana sarona, asaina akombona, terena hikombona: Tampeno ny vavan' io zaza io raha vao mitomany
Tsy azonao tampenana tsy hahita ny marina ny masoko
Enti-milaza ny lamba misy loaka asiana tapa-damba kely mizaitra mba hanarona ny loaka: Tampeno kely ity pataloako ity fa loaka
Asiana tsentsina ka tsy afa-mivoaka na miditra intsony (ny rano na ny rivotra): Tampeno io hirika io fa avy eo no miditra ny rance
Asiana sakana tsy hahafahana mampiasa ilay zavatra: Notampenan-dry zareo ato atsimo ilay lalankely mandalo eo an-tokotaniny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be plugged; to be filled with a patch; to be corked [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on bouche, qu'on obstrue [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tampenana, tampenako, tampenanao, tampenany, tampenantsika, tampenanay, tampenanareo, tampenan', tampenan-, tampenam-, tampena-
Ny lasa : notampenana, notampenako, notampenanao, notampenany, notampenantsika, notampenanay, notampenanareo, notampenan', notampenan-, notampenam-, notampena-
Ny hoavy : hotampenana, hotampenako, hotampenanao, hotampenany, hotampenantsika, hotampenanay, hotampenanareo, hotampenan', hotampenan-, hotampenam-, hotampena-
Filaza mandidy : tampeno
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20