Teny iditra Takariva am-pivahiniana
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Dox
Lahatsoratra 
Iny teheza-bohitra iny mahalasa vinaniko
Am'ireo alaalany ary vatolampy aminy,
Am'izato lohasaha sy tanimbary ety ambaniny...
Lavitra tokoa manko ankehitriny izany taniko!

Dify any ny masoandro.
Ny aloka iny tafandriana.
Taratry ny vodilanitra sisa loko amin'ny rano.
Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano,
Manetsika embona ao am-pon'ity am-pivahiniana…

Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko
Mangina eny rehetra eny… Mangina koa ny ao am-poko...
Aloka mamelovelo! Fahanginana oriory!

Eto ambody aviavy no iainako an'izany.
Mifandrindra amin'ny foko izato alahelon-tany!
Ny embonembona avy eto misy ho nofy raha matory...

Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02