Teny iditra |
takalo
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra mitovy vidy amin' ny zavatra iray ka asolo azy: Ity boky ity ve no takalon' ny bokiko vaovao? Tsy hanaiky izany aho Fanomezana zavatra iray olona, hatao solon-javatra hafa avy aminy, izay ilain' ny tena: Taloha raha mbola tsy nisy ny vola, dia takalo no nifanaovana fa tsy varotra [1.1]
|
| Endrika ifanakalozana, entana mivantana [1.13]
|
Fanazavàna teny anglisy | Barter, exchange; that which is given in barter [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | échange, troc [1.3, 1.8, 1.13]
|
| Ce qu'on donne en échange [1.8]
|
Ohatra |
1 | Dia samy lasa izy roa lahy, nony vita ny takalo.
[2.293]
|
2 | Ireo no reni-vary kosa, ka raha vokatra daholo, tsy misy takalo ny vary
[2.48]
|
3 | Tsy resaka varotra na takalo rahateo moa no tena ataoko aminao, fa resaka fitiavan-tanindrazana.
[2.472]
|
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
takalo
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Sakalava]
Anaran-kazandrano sahala amin' ny bontàna saingy fihinana [1.1]
|
Voambolana |
|
Teny iditra |
Takalo
|
Sokajin-teny | anarana (lohatenin' boky)
|
Mpanoratra | Vaviroa Marcelline |
Fanonta printy | 2014. Dodo vole. Ambainy: 31cm. Haavony: 22cm.
|
Tsanganana sy sary iray takila | Ny lohateny rehetra
|
|