Teny iditra tafina (tafy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny lamba izay entina na irakofana: Lamba mafana no tokony hotafina rehefa ririnina. (Aoka tsy hafangaro amin' ny tafiana) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be clothed, to be made to have clothing on. Used of the clothing. [1.2]
 To be put on (of clothing) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on met (se dit des vêtements) [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tafina, tafiko, tafinao, tafiny, tafintsika, tafinay, tafinareo, tafin', tafin-, tafim-, tafi-
Ny lasa : notafina, notafiko, notafinao, notafiny, notafintsika, notafinay, notafinareo, notafin', notafin-, notafim-, notafi-
Ny hoavy : hotafina, hotafiko, hotafinao, hotafiny, hotafintsika, hotafinay, hotafinareo, hotafin', hotafin-, hotafim-, hotafi-
Filaza mandidy : tafio
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20