Teny iditra setroka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fifangaroana gazy sy enton-drano avy amin' ny zavatra mirehitra ka miseho amin' ny endrika fotsifotsy midonaka: Vohay ny varavarankely fa manempotra izany setroka izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Smoke [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fumée [1.3, 1.8]
Ohatra Setroka manify no nisononoka niakatra ao amin' ny tapa-porohana. [2.470]
Haiendriteny 
Tsotra : setroka, setroko, setrokao, setrony, setrotsika, setrokay, setrokareo, setrok', setro-, setroky
Tovonana : -tsetroka, -tsetroko, -tsetrokao, -tsetrony, -tsetrotsika, -tsetrokay, -tsetrokareo, -tsetrok', -tsetro-, -tsetroky
Sampanteny 
Kamban-teny 
Zanakanarana Dona-tsetroka (Andriarimalala René)
Ohabolana 

Teny iditra setroka
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Voan' ny setroka: Setroky ny kitay aho fa vonoy izao afo izao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Aveuglé par la fumée, incommodé par la fumée [1.3]
Ohatra Tsy mety raha setroky ny kitay naroson' ny hafa [2.558]
Haiendriteny 
Tsotra : setroka, setroky
Tovonana : -tsetroka, -tsetroky

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/26