Teny iditra savana (sava)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tadiavina, karohina: Nosavana eran' ny tanàna ny mpangalatra ka hita
Jerena, tsirihina, zahana fatratra: Nosavan' ny mpampianatra ny sandrifin' ny ankizy rehetra fa nisy vola roanjato very tao am-pianarana
Atao tsy misy manentsina na manelingelina: Savao tsara ny lalana handehanan' ny manampahefana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be cleared; to be closely inspected [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on examine de près, qu'on éclaircit [1.8]
Ohatra Tsy maintsy savana anefa ireny eo ampidirana sao mitahiry fiadiana: [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : savana, savako, savanao, savany, savantsika, savanay, savanareo, savan', savan-, savam-, sava-
Ny lasa : nosavana, nosavako, nosavanao, nosavany, nosavantsika, nosavanay, nosavanareo, nosavan', nosavan-, nosavam-, nosava-
Ny hoavy : hosavana, hosavako, hosavanao, hosavany, hosavantsika, hosavanay, hosavanareo, hosavan', hosavan-, hosavam-, hosava-
Filaza mandidy : savao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20