Teny iditra safoina (safo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny zavatra ampandalovana moramora ny tanana: Safoiny ny saokany isaky ny hiteny izy
Orina: Nosafoiny tamin' ny menaka ilay tongotro narary dia sitrana
Jerena ny fandehany na ny toetrany: Nosafoin' ny polisy ny tokotaninay aninaraina [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : safoina, safoiko, safoinao, safoiny, safointsika, safoinay, safoinareo, safoin', safoin-, safoim-, safoi-
Ny lasa : nosafoina, nosafoiko, nosafoinao, nosafoiny, nosafointsika, nosafoinay, nosafoinareo, nosafoin', nosafoin-, nosafoim-, nosafoi-
Ny hoavy : hosafoina, hosafoiko, hosafoinao, hosafoiny, hosafointsika, hosafoinay, hosafoinareo, hosafoin', hosafoin-, hosafoim-, hosafoi-
Filaza mandidy : safoy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05