Teny iditra ritina (ritra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alana ny rano ao aminy: Tokony horitina ity farihy ity fa tsy mahasalama
Andrahoina amin' ny fanaovana izay hahalasa fofona ny rano andrahoana azy: Tsara ny hena ritina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be dried up, to be cooked till all the water is gone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on dessèche ; qu'on fait cuire jusqu'à ce que le liquide soit evaporé [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ritina, ritiko, ritinao, ritiny, ritintsika, ritinay, ritinareo, ritin', ritin-, ritim-, riti-
Ny lasa : noritina, noritiko, noritinao, noritiny, noritintsika, noritinay, noritinareo, noritin', noritin-, noritim-, noriti-
Ny hoavy : horitina, horitiko, horitinao, horitiny, horitintsika, horitinay, horitinareo, horitin', horitin-, horitim-, horiti-
Filaza mandidy : rito

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20