Teny iditra Ratany Samuël
Singan-teny Ratany ; Samuël
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Ratany Samuël (1901/07/16 - 1926/10/10) ( Tanicus) [3.1]
 Teraka tamin’ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo i Samuël Ratany. Zanaky Ratsimamakitany sy Ramariarivelo ary nanambady an-dRasoazananohatra. Nianatra tao amin’ny Paul Minault Ambohijatovo izy. Tao no nanombohany nankafy literatiora ary nanampy azy tamin’izany sy nanolokolo ny talentany Randrianjafintrimo anadahin-dreniny. Mahay zavamaneno koa, ka ny rainy Ratsimamakitany no nanolokolo azy teo amin’ny hira sy ny zavamaneno. Voataiza tamin’ny finoana kristiana koa izy. Mpitana bokim-bola tao amin’ny tranom-barotra ‘Vassilou’ no asa nataony. Maty tamin’ny 10 oktobra 1926, raha vao 25 taona monja i Samuel Ratany ary nalevina ao Lazaina Avaradrano. Ny maha mpanoratra azy Vao 15 taona izy no nanomboka nanoratra ary sarotiny tokoa ka nisy niverenany intelo na inefatra ny fandrafetana sy fanadiovana ny asa soratra navoakany. Nifanerasera sy nifankatia tamin’ny mpanoratra mitovitovy taona aminy izy, indrindra fa tamin’i Jean Joseph Rabearivelo izay nihevitra azy ho mpamorona tononkalo lehibe indrindra tamin’ny androny. Azo alahatra ho anisan’ireo ngezalahy izy. Ny nokendreny dia ny hanondrotra ny poezia malagasy amin’ny toerana ambonimbony kokoa. Ny tononkalony dia ahitana rima voafolaka hanome aina tsara ny firafiny, ahitana fampiasana sarin-teny koa. - Misy ireo natolony ho an’ny sakaizany: “Embona”, “Elogie de minuit” dia natolony ho an-dRabearivelo. - Misy ny nataony ho fahatsiarovana: “In memoriam ” dia ho fahatsiarovana an’i Albert Ranaivo. Ny sombin-tantara nosoratany dia mamelona ny endri-piainana sy ny zava-misy tamin’ny androny. Ohatra: “Imbalanony”, “Vita ho azy”… Anisan’ny nosoratany koa ireo sombin’eritreritra toy ny ao amin’ny “Vovoka isika ohatra azo raisina amin’izany ny hoe «Ranovelona tsy miditra any am- pasana ny ranomaso nefa vavolombelon’ny maha-tany ny tany». Nanadihady momba ireo vakoka malagasy koa izy, iray amin’ireny: “Tononkiran’ny Ntaolo”. Ny solon’anarana nentiny dia Tanicus. [5.mg.http://www.mcp.gov.mg/blog/divers-samuel-ratany/]
Fanazavàna teny frantsay Elève au Collège Paul Minault en même temps que Jean Narivony, Rahaingoson, Benja Ratsitohaina, ce poète fut l'ami de Rabearivelo auquel il dédie des poèmes. Son père lui enseigne la musique. Il commence à écrire des poèmes dès l'âge de 15 ans, puis collabore à de nombreuses revues: Tsarahafatra, Ny Fandrosoana Vaovao, Ny Mpandinika, Ny Tanamasoandro, Journal de Madagascar, Revue de Madagascar. Il écrit des poèmes dont quelques uns en français, des nouvelles, des chansons, des hainteny. Il meurt jeune mais reste un des poètes marquants dans sa génération. [1.59]
Voambolana 
Asa navoany Domoina Maratra
Kalokalon' ny Tatsinanana
Raha 1925
Tononkiran' ny Ntaolo 1925
Vetsovetson' ny sasakalina

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20