Teny iditra Rapatsalahy José Paul
Singan-teny Rapatsalahy ; José ; Paul
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Mpianatr' i "Bahut" (Lycée Galliéni) hatramin' ny farany izy, ka rahefa nahazo ny Baccalauréat "Philo" dia toa efa "voasoratra" handimby an-drainy teo amin' ny sehatry ny fanaovan-gazety. Nandia ny Sekoly Ambony momba ny "Journalisme" teto an-toerana, nanohy izany tany Amerika, ary nandalina farany tany Paris. Ary dia tsaroana ny nandalovany taona maromaro tao amin' ny Televisiona Malagasy, izay mbola teo am-piandohany tokoa tamin' izany fotoana izany. Nisy marika napetrany tao...

Sady nidodi-doha nandray andraikitra teto amin' ny Imprimerie Takariva izy, no toa mbola "voasoratra" ihany koa hamokatra tatara toa-an-drainy.

Dia tantara valo no vokatry ny fikirizany. [1.307]

Asa navoany Andry – Ady Saritaka
Andry – Aloka ML3
Andry – Eva Takalon' Aina
Andry – Mpikarama an' Ady
Andry – Rongonin' Avara-pi...
Andry – Rotaka Maty Paika
Andry – Vazimban' Ambato
Andry – Vohitry ny Horohoro

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20