|
|
|
|

Teny iditra1  Rakotonaivo François
Singan-teny  2  Rakotonaivo, François
Sokajin-teny  3  anaran-tsamirery (olona)
Voambolana  4  Haisoratra: mpanoratra
Fanazavàna teny malagasy  5  Rakotonaivo François (1924-)
6  Teraka tany Betatao (Anjojorobe) tamin' ny 10 oktobra 1924. Nianatra tao amin' ny Petit Séminaire-Ambohipo, Kolejy Masina Misely-Amparibe, ary Lycée Galliéni izy. Nampianatra nandritra ny 14 taona. Nanomboka nanoratra tao amin' ny gazety "Anivon' ny Riaka - L' Ile Australe" niandraikitran' Andriamatoa Régis Rajemisa-Raolison. Talen' ny gazety Sori-Dalana (1957-1958). Tonian' ny Filazam-baovao tao amin' ny Radio-Madagasikara teto Antananarivo, tany Antsiranana sy tany Fianarantsoa. Talen' ny Radio-Madagasikara (1976-1978). Mari-boninahitra: Chevalier de l'Ordre national Malagasy. [2.327]
Asa navoany  7  1961 Fianarana jeografia
8  1970 Ny Haintenin'ny Ntaolo
9  1990 Hainteny ankehitriny
10  1990 Le laïcat et la pastorale de la justice et la charité : à Madagascar depuis son indépendance en 1960
11  1993 Ny diam-penin' ny Avana Ramanantoanina
12  1993 Rakibolana frantsay - malagasy : Dictionnaire français - malgache
13  1997 Ny riba malagasy eran' ny nosy
Tsanganana sy sary iray takila  14  Fitanisana

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20