Teny iditra rahonana (rahona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tenenina mafy, fa nisy ratsy nataony; levilevena: Nandrairay zavatr' olona Ikoto ka norahonan-drainy mafy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be threatened [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on menace [1.3]
Ohatra 
1Tsy terena tsy vozonina izy no nilaza, ary tsy rahonana. [2.587]
2Rahonana amin'izay izy, dia mibaboka sy manaiky lembenana. [2.298]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : rahonana, rahonako, rahonanao, rahonany, rahonantsika, rahonanay, rahonanareo, rahonan', rahonan-, rahonam-, rahona-
Ny lasa : norahonana, norahonako, norahonanao, norahonany, norahonantsika, norahonanay, norahonanareo, norahonan', norahonan-, norahonam-, norahona-
Ny hoavy : horahonana, horahonako, horahonanao, horahonany, horahonantsika, horahonanay, horahonanareo, horahonan', horahonan-, horahonam-, horahona-
Filaza mandidy : rahony

Teny iditra rahonana (rahona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny anglisy To be overlaid with gold, silver, etc. [1.2]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/15