Teny iditra pasohina (pasoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Lamaina, tsindriana amin' ny vy hafanaina mba halamalama tsara tsy hisy miketrona na miforiporitra: Tokony hopasohina iny pataloanao iny fa efa miforiporitra
Alamina: Pasohy tsara aloha ny resaka vao mihaona amin' ny lehibe [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be smoothed, to be ironed, to be palliated. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : pasohina, pasohiko, pasohinao, pasohiny, pasohintsika, pasohinay, pasohinareo, pasohin', pasohin-, pasohim-, pasohi-
Ny lasa : nopasohina, nopasohiko, nopasohinao, nopasohiny, nopasohintsika, nopasohinay, nopasohinareo, nopasohin', nopasohin-, nopasohim-, nopasohi-
Ny hoavy : hopasohina, hopasohiko, hopasohinao, hopasohiny, hopasohintsika, hopasohinay, hopasohinareo, hopasohin', hopasohin-, hopasohim-, hopasohi-
Filaza mandidy : pasohy

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05