Teny iditra otronina (otrona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Fihinina amin' ny sandry roa mifandray tanana: Azonao otronina va io vatan-kazo io
Iarahana mba ho fanajana sy fanomezam-boninahitra: Notronin' ny vahoaka ny filohan' ny nosy
Hodidinina: Notronin' ny fianakaviany izy tamin' izy hiondrana ho any am-pita [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be escorted [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on escorte [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : otronina, otroniko, otroninao, otroniny, otronintsika, otroninay, otroninareo, otronin', otronin-, otronim-, otroni-
Ny lasa : notronina, notroniko, notroninao, notroniny, notronintsika, notroninay, notroninareo, notronin', notronin-, notronim-, notroni-
Ny hoavy : hotronina, hotroniko, hotroninao, hotroniny, hotronintsika, hotroninay, hotroninareo, hotronin', hotronin-, hotronim-, hotroni-
Filaza mandidy : otrony
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20